
„Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko„. Tsapako ny tena dikan’io fomba fiteny io rehefa nifindra monina taty andafy aho. Ny fisokafana amin’ny hafa dia manitatra ny saina hiaina ny mbola tsy fantatra fa ihany koa vao maika mapitombo ny fitiavana ny efa ananao sy ny maha izy anao.
Zava-dehibe amiko ny hampita izany amin’ny taranako ary ny teny dia manana anjara lehibe amin’izany satria io ahafahana miafankahazo amin’ny hafa lalindalina kokoa. Ireto misy teboka vitsivitsy ampiharinay sy ny zanako kely roa taona mba hahafahany miteny malagasy na dia aty andafy aza izahay no mipetraka.
Miteny aminy amin’ny teny malagasy foana aho.
Ity no anisan’ny mananosarotra ahy indrindra. Indrindra moa rehefa hoe vahiny ny rainy ka tsy mahazo teny malagasy mihitsy. Raha ny tena faniriako dia teny malagasy ihany no tiako ho ren’ny zanako teneniko. Kanefa raha tiako hahazo ny resakay koa ny rainy dia tsy maintsy mandika teny ihany aho. Ny vahaolana hitako dia ny fitenenana teny malagasy ranoray rehefa izahay mianaka irery ary adikako amin’ny teny malagasy izay rehetra teniniko amin’ny teny vahiny.
Adiako amin’ny teny malagasy ny hira amin’ny teny vahiny efa hainy.
„Ny asa vita an-kira hoe vita toy ny tsa natao„. Tsa ny asa ihany fa ny fampianarana koa. Mora raisina kokoa ny teny rehefa atao hira. Raha ny zanako manokana dia tena tia mozika, indraindray aza dia izy ihany no manomboka mihira, ary aho indray no taitra hoe kay tena mitadidy izy. Ezahako ampianarina azy ny hira malagasy fantatro, na ny hira ho an’ny ankizy toy ny „Zaza manasa tanana“, „Mandihiza rahitsikitsika“ sns na ny hira tsotra mandeha mandeha amin’ny haino amanjery. Ny hira vahiny kosa adikako amin’ny teny malagasy, eny na dia tsy miady rima aza. Rehefa mifanaraka amin’ny mozika fotsiny dia izay no zava-dehibe.
Miresaka matetika amin’ny fianakaviana any Madagasikara.
Tombony be hoantsika miaina amin’izao vanim-potoana izao ny fisian’ny teknolojia, izay tena miroborobo tokoa. Miha maro ny fomba ahafahana mifandray amin’nx havana lavitra, na antso na an-tsary. Io no tena tokony ho araraotina satria iaraha-mahalala fa tsy ny rehetra no manana fahafahana ho any Madasikara matetika, fa raha misy moa izany dia vao maika tsara.
Raha resaka teny dia ny fampiharana no tena mampivoatra haingana, indrindra ho an’ny zazakely. Mbola tena ambony ny tahan’ny fandraisan’ny sainy ary ny famerimberenana azy no manampy azy hiraikitra tsara. Mamporisika ny ray aman-dreny hierzaka na dia mitaky faharetana aza izany mba ho lovain’ny taranaka ny teny malgasintsika.
Mirary soa!
Schreibe einen Kommentar